المحتوى المقدم من Fiami Radio. يتم تحميل جميع محتويات البودكاست بما في ذلك الحلقات والرسومات وأوصاف البودكاست وتقديمها مباشرة بواسطة Fiami Radio أو شريك منصة البودكاست الخاص بهم. إذا كنت تعتقد أن شخصًا ما يستخدم عملك المحمي بحقوق الطبع والنشر دون إذنك، فيمكنك اتباع العملية الموضحة هنا https://ar.player.fm/legal.
Player FM - تطبيق بودكاست انتقل إلى وضع عدم الاتصال باستخدام تطبيق Player FM !
Artificial intelligence is evolving at an unprecedented pace—what does that mean for the future of technology, venture capital, business, and even our understanding of ourselves? Award-winning journalist and writer Anil Ananthaswamy joins us for our latest episode to discuss his latest book Why Machines Learn: The Elegant Math Behind Modern AI . Anil helps us explore the journey and many breakthroughs that have propelled machine learning from simple perceptrons to the sophisticated algorithms shaping today’s AI revolution, powering GPT and other models. The discussion aims to demystify some of the underlying mathematical concepts that power modern machine learning, to help everyone grasp this technology impacting our lives–even if your last math class was in high school. Anil walks us through the power of scaling laws, the shift from training to inference optimization, and the debate among AI’s pioneers about the road to AGI—should we be concerned, or are we still missing key pieces of the puzzle? The conversation also delves into AI’s philosophical implications—could understanding how machines learn help us better understand ourselves? And what challenges remain before AI systems can truly operate with agency? If you enjoy this episode, please subscribe and leave us a review on your favorite podcast platform. Sign up for our newsletter at techsurgepodcast.com for exclusive insights and updates on upcoming TechSurge Live Summits. Links: Read Why Machines Learn, Anil’s latest book on the math behind AI https://www.amazon.com/Why-Machines-Learn-Elegant-Behind/dp/0593185749 Learn more about Anil Ananthaswamy’s work and writing https://anilananthaswamy.com/ Watch Anil Ananthaswamy’s TED Talk on AI and intelligence https://www.ted.com/speakers/anil_ananthaswamy Discover the MIT Knight Science Journalism Fellowship that shaped Anil’s AI research https://ksj.mit.edu/ Understand the Perceptron, the foundation of neural networks https://en.wikipedia.org/wiki/Perceptron Read about the Perceptron Convergence Theorem and its significance https://www.nature.com/articles/323533a0…
المحتوى المقدم من Fiami Radio. يتم تحميل جميع محتويات البودكاست بما في ذلك الحلقات والرسومات وأوصاف البودكاست وتقديمها مباشرة بواسطة Fiami Radio أو شريك منصة البودكاست الخاص بهم. إذا كنت تعتقد أن شخصًا ما يستخدم عملك المحمي بحقوق الطبع والنشر دون إذنك، فيمكنك اتباع العملية الموضحة هنا https://ar.player.fm/legal.
Ireo Zanak'Isiraely tany Sinay dia nanana firehetam-po amin'ny fahamarinana rehefa nahita ireo asa lehiben’Andriamanitra. Jesosy Kristy koa dia nirehitra tamin'ny fitiavana an'Andriamanitra ka tsy namela ny tranony hatao fivarotana. Isika Fiangonan’Andriamanitra koa dia tokony hitoetra amin'izany. Ahoana? Eksodosy 19: 1-8, 1 Korintiana 14: 12-17, Jaona 2: 13-17
المحتوى المقدم من Fiami Radio. يتم تحميل جميع محتويات البودكاست بما في ذلك الحلقات والرسومات وأوصاف البودكاست وتقديمها مباشرة بواسطة Fiami Radio أو شريك منصة البودكاست الخاص بهم. إذا كنت تعتقد أن شخصًا ما يستخدم عملك المحمي بحقوق الطبع والنشر دون إذنك، فيمكنك اتباع العملية الموضحة هنا https://ar.player.fm/legal.
Ireo Zanak'Isiraely tany Sinay dia nanana firehetam-po amin'ny fahamarinana rehefa nahita ireo asa lehiben’Andriamanitra. Jesosy Kristy koa dia nirehitra tamin'ny fitiavana an'Andriamanitra ka tsy namela ny tranony hatao fivarotana. Isika Fiangonan’Andriamanitra koa dia tokony hitoetra amin'izany. Ahoana? Eksodosy 19: 1-8, 1 Korintiana 14: 12-17, Jaona 2: 13-17
Maro no mihevitra fa tsy misy Andriamanitra, ary mino fa izqo rehetra izao dia nivoatra avy tamin'ny tsy misy. Nefa ny Baiboly dia mirakitra ny momba Ilay Andriamanitra Mpamorona izao rehetra izao, dia ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny zava-boaary ao aminy. Ny tantaran'ny famoronana dia voarakitra ao amin'ny Baiboly, izay manambara fa Andriamanitra no nanao ny olombelona, ary tahaka ny endrik'Andriamanitra sy ny tarehany no nanaovany azy. Iza ary Inona Andriamanitra? Araho ny lesona mirakitra ny fanazavana atolotry ny Ambasadaoro Kolejy eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray, Fikambanana Iraisam-pirenena, Vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Ny literatiora sy fanazavana fanampiny dia azonao trandrahana ao amin’ny tranokalanay. Https://fiamitoriteny.blogspot.com…
Jehovah Andriamanitra Ray sy ny Teny no nahary ny olombelona, ary tahaka ny endrik'Andriamanitra no nahariany azy. Nefa voasoratra ao amin'ny Baiboly fa iza ateraky ny nofo dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. Andriamanitra irery no tsy mety maty , fa ny olombelona dia mety maty. Nefa manana anjara ho tonga zanak'Andriamanitra, fanahy, koa ny olombelona, ary izay zanak'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Dr Rakotondravony Daniel, mpiandraikitra ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eto Madagasikara no manolotra ho anao ny toriteny fianarana Baiboly. Ny literatiora sy fanazavana fanampiny dia voarakitra ao amin'ny Toriteny ao amin'ny tranokalan'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray.…
Jesosy Kristy sy ny Fiangonan'Andriamanitra voalaza ao amin'ny Baiboly dia nitandrina ireo andro masina firavoravoana voatendrin'i Jehovah ireo. Inona no hevi-panahin'ny fety? Nahoana isika no tokony hitandrina izany koa ankehitriny? Araho ny toriteny fianarana Baiboly mahafinaritra atolotry ny Fiangonan'Andriamanitra Miray. Fantaro ny zavatra rehetra ary mifohaza ka katsaho ny Fanjakan'Andriamanitra mba hanananao anjara fiainana mandrakizay miaraka amin'i Jesosy Kristy Tompo. Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mpikambana ao amin'ny United Church of God na Eglise de Dieu Unie, vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Efa misy ny fiangonana eto Antananarivo, Madagasikara ary misy ny tranokala mirakitra ny fianarana rehetra. Azonao henoina koa ny internet radio. Ny rohy dia azonao jerena ato: https://ucgmada.blogspot.com…
Ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra dia hotahiana ny firenena rehetra, ary haniry ny hianatra ny didy sy lalàn'Andriamanitra ny firenena rehetra. Hanefy ny sabany ho fangady ny olona ary tsy hianatra ady intsony. Ary na dia ny biby masiaka aza dia hiova ho malemy fanahy ka tsy handratra eran'ny tendrombohitr'i Jehovah. Hisy vokatra be dia be amin'izany. Ny tany hahavoka-javatra, ary ny olona ho malemy fanahy sy hitady an'i Jehovah. Dr. Daniel Rakotondravony no mitondra ny fampianarana ho anao. Izy dia mpiandraikitra ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eto Madagasikara, ao anatin'ny vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Ny lahatsoratra sy fanazavana fanampiny dia hitanao ao amin'ny tranokala: https://ucgmada.blogspot.com ao amin'ny Toriteny. Raha maniry ny hiara-mivavaka aminay ianao dia mifandraisa aminay. Azonao atao koa ny mandefa hafatra ao amin'ny Facebook.…
Maro ny kristiana no mankalaza ny krismasy na noely, nefa tsy mahafantatra ny tena antony niandohan'ilay fety akory. Mino izy ireo na ny marina dia voafitaka izy ireo ka mino fa ny krismasy na noely dia fankalazana ny tsingerintaona nahaterahan'i Jesosy Kristy. Ny fankalazana ny nahaterahan'i Jesosy dia tsy anisan'ireo andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah ao amin'ny Baiboly. Toy ny fivavahana amin'ny andro alahady ihany dia namorona fety ho azy araka ny fiheviny ny olona hoentiny hanaovana fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah Andriamanitra, Izay namorona ny tany sy ny lanitra ary nitsahatra tamin'ny asany tamin'ny andro Sabat, andro fahafito. Dr. Rakotondravony Daniel, mpiandraikitra ny Fiangonan'Andriamanitra Miray, mpikambana ao amin'ny Eglise de Dieu Unie na United Church of God, Fikambanana Iraisam-pirenena, no mitondra ny fampianarana ho anao. Aza adino ny mamaky hatrany ny Baibolinao sy mangataka ny Fanahy Masin'Andriamanitra mba hanokatra ny fo sy ny sainao hahalala ny marina sy ho afaka amin'ny fahadisoan-kevitra rehetra. Ny fanazavana sy literatiora fanampiny dia azonao trandrahana ao amin'ny tranokala ihany, amin'ny fizarana momba ny andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah. https://fiamiray.blogspot.com na https://ucgmada.blogspot.com…
Maro ny olona no mino fa ny fanahin'ny olombelona dia tsy mety maty. Nefa tsy izany no voalazan'ny Tenin'Andriamanitra ao amin'ny Baiboly. Inona ny ain'ny olombelona? Avy aiza no niaviany? Inona no lalana mankany amin'ny fiainana mandrakizay? Ny raki-peo no mirakitra ny fianarana momba izany. Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray, dia mpianatr'Andriamatoa Herbert W. Armstrong hatramin'ny taona 1972, ary nandalina Soratra Masina sy mampianatra ny fiangonana hitandrina ny didy sy lalàn'Andriamanitra rehetra, ary anisan'izany ny didy momba ny fitiavana an'Andriamanitra. Ny vadiny, Ramatoa Raeliarisoa Marie Odette dia manampy azy amin'ny fanontana ny boky amin'ny fiteny Malagasy mba ho azon'ny olona hianarana amin'ny fiteny Malagasy izany. Ny lahatsoratra mirakitra ny fianarana Baiboly dia azonao trandrahana ao amin'ny tranokala'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eo ambany: https://fiamiray.blogspot.com na ny https;//ucgmada.blogspot.com Azonao atao koa ny manaraka ny fianarana amin'ny web radio sy ny pejy na groupe ao amin'ny Facebook.…
Jehovah Andriamanitra Ray dia nanambara ny zavatra tsy maintsy ho avy any amparany, ary ny Bokin'ny Apokalypsy sy ireo andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah no manambara ny planin'Andriamanitra ho an'ny olona rehetra. Ity rakipeo manokana ity dia hanampy anao hahatakatra ny hevi-panahin'ny didy sy lalan'Andriamanitra sy ny Bokin'ny Apokalypsy.…
Ny andro fanavotana dia ilay andro firavoravoana fahadimy voatendrin'i Jehovah ho fitsaharana sy fivoriana masina. Io no andro firavoravoana notendren'i Jehovah hitsaharana, hanaovana fivoriana masina sy hanaovana fifadian-kanina, mba ho tena iray amin'Andriamanitra isika. Maneho koa ny sorom-panavotana nataon'i Jesosy Kristy ho antsika teo amin'ny hazofijaliana, ary ny fanesorana an'i Satana mba tsy hahafahany mamitaka ny olona intsony rehefa tonga eto an-tany ny Fanjakan'Andriamanitra.…
Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona ? Ny olombelona dia noforonin’Andriamanitra araka ny endrik’Andriamanitra. Mety ho tonga zanak’Andriamanitra ny olombelona, ary afaka mandray anjara amin’ny fomban’Andriamanitra. Noforonin’Andriamanitra ho nofo ny olombelona, ary avy amin’ny tany no namoronany azy. Ny fofon’aina no iveloman’ny olona; mety maty izy, iharan’ny fahalovana sy fahafatesana. Izany hoe, tsy manana fiainana mandrakizay ny olombelona, afa-tsy hoe raha manaiky an-tsitrapo ny handray ny fanomezana avy amin’Andriamanitra, araka ny toetra sy ny teny asehon’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Andriamanitra dia nametraka safidy teo amin’i Adama sy Eva, ho fiainana mandrakizay raha mankatò an’Andriamanitra, na ho fahafatesana raha manota. Tsy nanohitra ny fakam-panahy Adama sy Eva. Noho izany dia niditra teto amin’izao tontolo izao ny ota. Tamin’ny alalan’ny ota, dia tonga ny fahafatesana. Manjaka amin’ny olombelona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra (Genesisy 1:26; 2 Petera 1: 4; Hebreo 9:27; 1 Korintiana 15:22; Romana 5:12; 6:23). Inona no antony namoronan’Andriamanitra ny olombelona? Tsindrio ity. "Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany." (Genesisy 1:26)…
Tombo-kase fito sy Trompetra fito. Inona no hitranga ain'ny hamahana ny tombo-kase fito sy ny hitsofana ny trompetra fito? Ny literatiora sy fanazavana fanampiny dia azonao trandrahana ao amin'ny tranokalan'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray.
Ny Ambasadoaoro Kolejy eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia fianarana sy fandalinana Baiboly ho anao, hahafantaranao ny Filazantsaran'Andriamanitra sy ny planina mahagaga nataon'Andriamanitra ho an'ny olombelona rehetra. Ity fizarana ity dia hahatakaranao ny hevi-panahin'ireo andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah sy ny maha-zava-dehibe ny fitandremana azy ireny, satria ireny no manambara ny dingana fito lehibe nataon'Andriamanitra ho an'ny zanak'olombelona. Ny fahatakarana ny hevi-panahy raiketiny dia hanampy anao hahatakatra ny zava-miafin'ny boky Apokalypsy sy ny Tenin'Andriamantra, raha maniry izany ianao, ka manan-tsofina ho enti-mihaino izay lazain'ny Fanahy aminao.…
Rehefa mibebaka marina isika ka mino fa Jesosy Kristy no Tompo sy Mpamonjy dia miroso amin'ny batisa sy ny fametrahan-tanana handraisana ny Fanahy Masina. Mila mitombo amin'ny toetran'Andriamanitra isika ary mifady ny ota. Io no ambaran'ny dingana manaraka amin'ny planin'ny famonjena nataon'Andriamanitra ho antsika. Rehefa miezaka mitandrina ny didy sy lalàna ary fitisipik'Andriamanitra isika dia manana ny sain'i Kristy ary mitoetra ao anatintsika ny finoan'i Kristy ary mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina. ...…
Ny Ambasadaoro Kolejy dia fianarana Baiboly atolotry ny Fiangonan'Andriamanitra Miray, handinihana ny Tenin'Andriamanitra, hitomboana amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra sy Jesosy Kristy ary ny planin'Andriamanitra ho an'ny olombelona rehetra. Inona no planin'ny Famonjena? Andriamanitra dia nanome ireo andro firavoravoana voatendry (Levitikosy 23) ho planina mahagaga amin'ny famonjena ny zanak'olombelona izay mino Azy, fa ho fandringanana kosa ireo fatra-mpikomy amin'Andriamanitra. Nahoana no ianarana ny Baiboly? Inona no Filazantsaran'Andriamanitra? Inona ny Fanjakan'Andriamanitra? Ny vaovao mahafaly momba ny Fanjakan'Andriamanitra dia natao ho an'ny olona rehetra, ary tsy maintsy mitory izany izahay mba ho vavolombelona. Manomboka amin'ny finoana sy fibebahana, ny Paska, ny Mofo Tsy Misy Masirasira, ny batisan'ny rano sy ny Fanahy Masina, ny Pentekosta, izany dingana izany. Fanampin'izany, dia ao koa ny fahatsiarovana amin'ny Fitsofana Trompetra, ny Andro Fanavotana, ny Fetin'ny Tabernakely, ary ny Fara-fivoriana. Ny hevi-panahin'ireo andro masin'i Jehovah Andriamanitra ireo no mirakitra ny zava-miafin'ny planina mahagaga nataon'Andriamanitra ho ahy sy ho anao.…
Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mpikambana ao amin'ny United Church of God, izay fikambanana iraisam-pirenena niorina tamin'ny 1995, ary ao anatin'ny vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Ny iraka tanterahinay dia ny mitory ny Filazantsaran'Andriamanitra amin'ny olona rehetra sy ny manomana vahoaka ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra araka izay notorian'ny Pastera Herbert W. Armstrong. Ny Fiami Radio dia tari-dalana ho antsika maniry handinika sy hahatakatra ny fahamarinana fototra avy ao amin'ny Baiboly. Azonao henoina eto izany manomboka anio.…
Inona no famantarana hafa nomen'i Jesosy hanambarana fa efa akaiky ny "farany"? Moa ve i Jesosy nilaza fa ny "fahavetavetan'ny fandravana" dia arak’izay nolazain'i Daniela mpaminany? Isika kristiana dia asaina misaina rehefa mamaky momba izany fahavetavetan'ny fandravana izany. Moa ve io baiko io nomena an'i Daniela ihany koa? Inona no andininy mbola nilazan'i Daniela ny "fahavetavetan'ny fandravana"? Ny raki-peo no hanampy anao hahafantatra ny marina. Ny literatiora sy fanazavana fanampiny dia azonao trandrahana ao amin'ny Ambasadaoro Kolejy, fianarana sy fandalinana Baiboly eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray. Tsindrio na adikao ny rohy: https://k12.instructure.com/enroll/YFLEJ6…
Ny Apokalypsy 6 sy Apokalypsy 19 dia samy miresaka momba ny mpitaingina soavaly fotsy. Matetika isika no tsy mahay manavaka azy ireo, tsy mamaky tsara ny filazalazana momba azy ireo, ary voafitaka hino zavatra tsy marina, fa milaza fa samy manambara an'i Jesosy Kristy avokoa ireo mpitaingin-tsoavaly roa ireo. Ny marina dia samy manambara kristy izy ireo, fa ny voalohany dia kristy sandoka (Apokalypsy 6). Io dia ho avy mialoha ny fahoriana lehibe eto an-tany, ary efa mivoivoy eto amin'izao tontolo izao miaraka amin'ireo mpitaingin-tsoavaly maintymena, ary hatsatra izy io. Mifanohitra amin'izany kosa, Ilay mpitaingin-tsoavaly voalaza ao amin'ny Apokalypsy 19 dia i Jesosy Kristy, Izay ho avy hotronin'ireo anjely marobe, ho tonga hamonjy ny olona. Ampahany amin'ny tsy fitoviana ihany ireo voalaza ireo. Ny raki-peo no mirakitra ny fanazavana fanampiny. Ary ny literatiora sy lahatsoratra fameno dia azonao trandrahana ao amin'ny Ambasadaoro Kolejy, fianarana sy fandalinana Baiboly eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray. Tsindrio na adikao ny rohy: https://k12.instructure.com/enroll/YFLEJ6…
Matetika isika no tsy mahatakatra na lahazo tsara ny dikan'ireo soavaly efatra ao amin'ny Apokalypsy 6. Ireo anefa dia anisan'ireo famantarana fotoana nomen'Andriamanitra fa hitranga mialoha ny fiavian'ny andro farany. Ireo soavaly efatra sy ny mpitaingina azy ireo dia maneho ny endrika efatra lehibe eto an-tany, izay nolazain'i Jesosy fa hisy amin'ny faran'ity vanimpotoana ity, samy miaratsy sy mifanitsaka daholo izy ireo, ka miantraika manerana an'izao tontolo izao. Ny soavaly fotsy dia mampiseho an'ireo minisitra sandoka maro izay mitory Kristy sandoka sy làlana diso mankany amin'ny "famonjena". Ny soavaly mena dia maneho ny firongatry ny fahasimbana vokatry ny ady . Ny soavaly mainty kosa dia tandindon’ny mosary tsy mitsaha-mitombo . Ary ny soavaly hatsatra dia maneho ny fihanaky ny areti-mifindra . Moa ve ny toko fahenina ao amin'ny Apokalypsy dia mampiseho ireo toe-javatra mitovy amin'ilay nolazain'i Jesosy ao amin'ny toko faha-24 amin'ny Matio fa amin'ny teny an'ohatra ? Araho ny fanazavana ary raiso ny Baibolinao hahafantaranao ny marina.…
Ireo mpitarika fivavahana tamin'ny andron'i Kristy dia tsy nahatakatra ireo "famantarana ny fotoana". Kanefa, dia efa nampianarina azy ireo fa ho avy ny Mesia, satria io hafatra io dia niverimberina tao amin'ny boky rehetra tao amin'ny Testamenta Taloha. Ao amin'ny andininy faha-3 ao amin'io toko io ihany, dia nasehon'i Jesosy fa mety ho azon'izy ireo izany raha toa ka tena iriny . Ary izany fiheverana izany dia mbola hita amin'izao vaninandro iainantsika izao koa. Mety hiverina anio alina ve i Kristy? Inona no famantarana nomeny mialoha ny fiaviany? Moa efa tanteraka avokoa amin'ny fahafenoany ve ireo famantarana fotoana nomeny? Ny literatiora sy fanazavana fanampiny dia azonao trandrahana ao amin'ny Ambasadaoro Kolejy, fianarana Baiboly ao amin'ny Canvas atolotry ny Fiangonan'Andriamanitra Miray.…
Matetika isika no maheno olona miteny hoe "Raha hiverina anio alina ianao Jesosy dia raiso izahay ho any aminao", sy ny toy izany. Ny fahafatesan'ny olona iray ve no lazaina fa fiverenan'i Kristy? Marina ve ny fieverana fa mety hiverina tampoka anio alina i Kristy Jesosy? Inona no fitaka iray torin’ny mpaminany sandoka? Ka inona no tokony hoeritreretina momba izany? Mety hiverina anio alina ihany ve i Kristy? Tsia! Mampianatra ny Baiboly fa tsy maintsy hisy fisehoan-javatra voafaritra mazava sy mifanarakaraka aloha. Hianaro TANTERAKA tsara ny.Matio 24, ary koa ny Marka 13 sy ny Lioka 21. Ireo toko ireo dia manambara mazava fa misy karazana kalandrie ara-paminaniana, fa misy zavatra sasany tsy maintsy hitranga alohan'ny hiverenan'i Kristy. Hiverina mandritry ny ady sy tabataba ve i Kristy? sa hiverina mangingina, tsy hahatanteraka ireo famantarana mialoha ny fiaviany lazain'ny Baiboly akory? Inona ireo "mariky ny fotoana" nomen'i Kristy fa hitranga mialoha ny fiverenany fanindroany eto an-tany? Ny literatiora mirakitra ny fanazavana feno dia azonao vakiana manontolo ao amin'ny Ambasadaoro Kolejy, fianarana sy fandalinana Baiboly eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray. Tsindrio na adikao ny rohy: https://k12.instructure.com/enroll/YFLEJ6…
Ilay soavaly fotsy ao amin'ny Apokalypsy 6 dia manambara ny famantarana voalohany amin'ireo izay nolazain'i Jeosy Kristy. Hoy indrindra Izy: "Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny." (Matio 24:24) Ary amin'izany indrindra dia asainy miambina sy mivavaka mandrakariva isika mba hiditra an-tsehatra Andriamanitra hanafaka antsika amin'ny fakam-panahy sy ny fitaoman-dratsy. "Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia* mitoha izy." [*lopa] (Matio 7:15) AMin'ny fiverenan'i Kirsty eto an-tany dia hosamborina ilay bibi-dia sy ny mpaminany sandoka ary hatsipy velona amin'ny farihy afo sy solifara. Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. (Apokalypsy 19:20)…
Ny Ambasadaoro Kolejy eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia manolotra anao fianarana Baiboly isanandro. Ny toko voalohany amin’ny fianarana dia "Nahoana no ianarana ny Baiboly?". Ny lesona anio dia mbola mitondra ny lohateny hoe "Inona no mahatonga ny ady?"
Nahoana no ianarana ny Baiboly? Lesona 1: Inona no mahatonga ny ady? Isaia 59: 1-8, Matio , Jakoba 4: 1-10 Ny antony mahatonga ny ady Mampanantena Andriamanitra fa hitsabaka amin'ny raharahan'ny tontolo mba hisorohana ny fandringanana ny zanak'olombelona ary hitondra antsika ho amin’ny fiadanana manerana ny tontolo. Saingy, raha tiantsika ny fiadanana, dia mila misoroka ny ady ho avy Izy ka hanovana izay ny FOTOTRY ny ady. Aoka ho azontsika ny momba izany. Maneho mazava ve ny Baiboly fa ny tena fototry ny ady dia ny filàna sy ny fitsiriritan'ny olona? Jakoba 4: 1-2; Rom.3: 15-17. FANAMARIHANA: Tsy misy isalasalana fa ny fieboeboana, ny fireharehana, ny fitsiriritana ary ny filan-dratsin’ny nofon’ny olona tsy niova fo sy ny firehana ara-nofo no tena anton’ny ady. 2. Moa ve mampitombo ny fieboeboana ny fahalalana? 1 Kor. 8:1. Satria miaina ao amin'ny vanim-potoana mampitombo haingana ny fahalalana ara-tsiansa isika - izay mahatonga ny olom-bitsy hanam-pahefana tsy hita pesimpesenina - ny fitsiriritana tafahoatran’ny olona ve mahatonga ho tsara sa RATSY KOKOA ny fiainany? 11 Tim. 3: 13. 3. Inona no vokatra farany amin'ny fihetsika sy fanapahan-kevitra izay toa tsara amin’ny mpitondra ambony sy amin’ny ankapoben’ny olona? Ohab. 14: 12. FANAMARIHANA: Zava-dehibe io fitsipika io ka nasain'ny Fanahy Masin’Andriamanitra naverina ao amin'ny Ohab. 16:25. Hamaky bebe kokoa ... Tsindrio ny rohy ao amin'ny Lesona fanazavana, Ambasadaoro Kolejy: https://k12.instructure.com/courses/550407/pages/inona-no-vahaolana-aminny-ady?module_item_id=6579123…
Nahoana no ianarana ny Baiboly? Lesona 1: Tsy misy vanim-potoana mitovy amin'ny antsika. Genesisy 11: 1-10, Marka 13: 19-23, Apokalypsy 9: 1-10 Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan'Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony. (Marka 13:19) Lahatsoratra mirakitra ny toriteny: Ambasadaoro Kolejy Azonao arahina ny fianarana Baiboly ao amin'ny Canvas: https://k12.instructure.com/enroll/YFLEJ6 Azonao atao koa ny manaraka ny ampahany amin'ny fianarana ao amin'ny Facebook: https://www.facebook.com/groups/919510742092657/…
مرحبًا بك في مشغل أف ام!
يقوم برنامج مشغل أف أم بمسح الويب للحصول على بودكاست عالية الجودة لتستمتع بها الآن. إنه أفضل تطبيق بودكاست ويعمل على أجهزة اندرويد والأيفون والويب. قم بالتسجيل لمزامنة الاشتراكات عبر الأجهزة.